- Publicité SW45 -
mercredi, décembre 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatolahy Menabe : Miaramila sandoka, nikasa haka an-keriny tovovavy

Ambatolahy Menabe : Miaramila sandoka, nikasa haka an-keriny tovovavy

Ilay tovolahy nisandoka ho miaramila voasambotra.

Tovolahy 22 taona no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambatolahy, tany amin’iny faritra Menabe iny, tao anaty “chambre”, rehefa nikasa hitondra an-keriny tovovavy iray, ny sabotsy lasa teo. Ankoatra izay dia nahitana fanamiana miaramila ihany koa tany aminy niaraka tamin’ny galona “kapôraly”. Izy rahateo mitonona fa miaramila ary fantatra amin’ny anarana hoe “Sefo R.”

Izany anarana izany no entin’ity farany nieboebo teo an-tanàna ary io fanamiana “camouflé” io foana no entiny. Tamin’io fotoana io dia voalaza fa tsy mitsahatra ny mivezivezy tao amin’ny tanànan’Ambatolahy ingahirainy, izay marihana fa izy irery foana, raha toa ka fantatra fa tsy maintsy miaraka roa fara-fahakeliny ny mpitandro filaminana. Toe-javatra nampiteraka ahiahy teo amin’ireo mponina ary niantson’izy ireo ny zandary tao an-toerana. Nandray andraikitra avy hatrany ireto mpitandro filaminana ary nanao ny angom-baovao sy ny fanaraha-maso izany toe-javatra izany. Ny sabotsy lasa teo, rehefa nisy ny fanomezam-baovao azon’ireto zandary tao amin’ny tobim-paritra Ambatolahy fa mitoby ao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny iray tao an-toerana ity “Sefo R.” ity dia nidina avy hatrany tao amin’ilay toerana. Tra-tehaka tokoa ilay tovolahy ary mbola nisy tovovavy iray niaraka taminy, izay voalaza fa nentiny an-keriny ary “notereny tsy maintsy hanaraka azy”. Tamin’ny fisavana ny efitrano no nahitana ireo fanamiana miaramila fanaovany. Nentina natao famotorana avy hatrany moa ity farany taorian’izay.

Miaramila sandoka. Nanomboka ny fotoana nisamborana azy, hoy ny fanazavana azo no nanizingizinany fa miaramila ny tenany ary miasa ao Morondava”. Tsy nanana karatra manondro izay maha-miaramila izany anefa ity farany ary tsy nahitàna izany rahateo teny aminy. Tetsy andanin’izay, rehefa nanontaniana ny lehiben’ny toby voalaza fa iasany dia nanambara fa tsy mahafantatra velively io lehilahy io. Toraka izay ihany koa ny lehiben’ny miaramila misahana ny faritra Menabe iny. Azo antoka tanteraka araka izany fa miaramila sandoka ity farany ary nikasa hanao zava-dratsy tao an-toerana. Ny fanontaniana mipetraka fotsiny dia hoe avy aiza no nahazoany ireo fanamiana sy ireo galona ? Notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana avy hatrany moa ity tovolahy ity. Ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambatolahy kosa no misahana izany. Tiana hatrany ny manamarika sy mampitandrina ny rehetra fa tsy kely lalana ny ratsy. Raha misy tranga mampiahiahy dia tsara foana ny mampandre ny mpitandro filaminana akaiky indrindra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici