Ny marainan’ny talata teo, nifatotra tongotra aman-tànana ny razana iray no hita natsingevan’ny reniranon’Onive. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Mandrosohasina, distrik’Ambatolampy no nahitàn’ny mpandeha vao maraina izany. Ny lohany dia nisarona gony nisy vato (mba hampilentika azy tsara anaty rano) ary nisy ratra ny vatany. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia fantatra ny anarany : Rakotoarisoa Jean Elie Sylvain, 33 taona. Rehefa nozahàn’ny manam-pahefana dia azo heverina fa novonoina izy ary natsipy tao anaty rano avy eo. Nandray ny fanadihadiana avy hatrany ny zandary eo anivon’ny borigadin’Ambatolampy. Heloka bevava no nanakilasiana ny raharaha. Ny razana kosa dia natolotra ny havany avy hatrany rehefa vita ny fizahana isan-karazany nataon’ny mpanao fanadihadiana.
D.R




