- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Frantsay nitaingina « bol d’or » maty voafaokan’ny kamiao

Ambatolampy : Frantsay nitaingina « bol d’or » maty voafaokan’ny kamiao

Nizara roa ilay moto
Nizara roa ilay moto
Nivadika ilay kamiao
Nivadika ilay kamiao

Maty tsy tradrano i Phillipe Berger, teratany frantsay, mbola ao anatin’ny fahatanorana, rehefa nifanehatra tamin’ny kamiao Mercedes iray tetsy akaikin’Ambatolampy. Nipitika efa ho tany amin’ny 25 metatra ny « guidon » an’ny moto izay notaingenany ary nizara roa ihany koa izany. Manazava avy hatrany ny hamafisin’ny fifandonana izany toe-javatra izany ary manazava ihany koa ny antony nahafaty teo ihany an’ity vazaha ity. Omaly antoandro no nitranga ny loza, teo amin’ny PK 45. Raha araka ny fanazavana azo avy amin’ny zandary dia nifanao aloha sy ariana ny fiara Sprinter miloko fotsy sy Mercedes fourgon miloko maitso. Nisongona ilay Sprinter io ilay Mercedes ka avy hatrany dia nifanehitra tamin’ilay moto. Raha ny fanazavan’ny vavolombelona nanatri-maso ka notaterin’ny zandary hatrany, tsy dia nandeha mafy akory ilay moto izay saika hizotra ho aty an-drenivohitra raha ho any Antsirabe kosa ilay kamiao. Io fiara io dia nivadika ary niala ny kodiarana teo aloha. Vaky tamin’izany ny pare-brise. Omaly ihany dia efa natao ny fikarohana ny havan’ny maty ary nosokafana ny fanadihadiana momba ity lozam-pifamoivoizana nahafaty olona ity.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
355,680FansAimer
2,515AbonnésSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici