- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Jiolahy rain-dahiny 11 saron’ny zandary

Ambatolampy : Jiolahy rain-dahiny 11 saron’ny zandary

Manoloana ny tsy fandriampahalemana nianjady tamin’iny faritra Ambatolampy iny, dia nanatanteraka hetsika ho famongorana izany ny zandary tany an-toerana, ny herinandro lasa teo. Fantatra ary fa jiolahy rain-dahiny niisa 11 no voasambotry ny zandary. Mbola nahatratrarana basy vita gasy iray tany amin’izy ireo, bala roa ary taim-bala niisa enina. Sarona tany amin’ireto jiolahy ireto ihany ny rongony milanja 200gr. Araka fampitam-baovao avy amin’ny zandary dia isan’ireo jiolahy rain-dahiny nananteraka fanafihana maromaro sy nampihorohoro iny faritra iny ireto olon-dratsy ireto. Marihina tokoa fa talohan’izay vokatra azon’ny zandary izao dia matetika no nahenoana fanafihana mitam-basy tany amin’iny faritra Ambatolampy sy ny manodidina iny. Anisan’izany ilay nitranga tao amin’ny distrikan’Antanifotsy, efa in-telo nolalovan’ny jiolahy. Olona iray no maty voatifitr’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io, ary vola mitentina teo amin’ny 14 tapitrisa ariary teo kosa no lasan’izy ireo tamin’izany. Nisy ihany koa ny fanafihana mitam-piadiana nitranga tao Ambohimpihaonana Ambatolampy, izay nahazoan’ireo olon-dratsy vola maromaro sy entana sarobidy isan-karazany. Inoana araka izany fa mba hilamidamina indray aloha iny faritra iny taorian’izao vokatra izao. Ilaina tokoa mantsy izay filaminana izay, mba hanavaon’ny vahoaka fety sy hitsenana ny taom-baovao am-pitoniana.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici