vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Mpangalatra akoho matin’ny fitsaram-bahoaka

Ambatolampy : Mpangalatra akoho matin’ny fitsaram-bahoaka

Omaly tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany, lehilahy iray 45 taona no fantatra fa namoy ny aina vokatry ny daroka nahazo azy, na ny marina kokoa, vokatry ny fitsaram-bahoaka. Ny vaovao voaray no nahafantarana fa efa mampiaiky ny olona ity rangahy ity amin’ny halatra samihafa nataony. Hatramin’izay toa lefitry ny be sy ny maro ihany izany zavatra izany. Omaly io anefa, nahatratrarana akoho telo tao an-tranony. Tsy fantatra aloha hoe avy aiza no nahitany ireo akoho ireo. Nohoverin’ny olona fa halatra izany koa dia raikitra ny fidarohana. Efa tena leo tokoa ny mpiara-monina, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Tany amin’ny tananan’i Tsiafajavona no niseho ity fitsaram-bahoaka ity. Tsy namelan’ny olona raha tsy tapitra ny ainy. Efa fotoana elaela vao nahafantatra ny fandehanjavatra ny zandary tany an-toerana izay tonga nizaha ny zava-nisy fotsiny sisa.

Amin’izao fotoana izao, mandeha ny fanadihadiana ataon’ny zandary avy ao Ambatolampy hahitana izay tena marina amin’ity vonoan’olona ity.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici