vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Nifandona indray ny kamiao sy sprinter

Ambatolampy : Nifandona indray ny kamiao sy sprinter

Olona telo raha kely indrindra no naratra. Izany no vokatry ny fifandonan’ny fiara mpitatitra entana sy mpitatitra olona. Ny iray kamiao ary ny iray sprinter. Omaly tokony ho tamin’ny dimy ora hariva no nitranga izany, dimy kilaometatra tsy hidirana an’Ambatolampy. Izany hoe teny amin’ny lalam-pirenena fahafito indray. Tsy mifanalavitra ny tetezana no nisehoan’ny loza ary teo am-pivoahana izany aza ny iray no raikitra ny fifandonana. Potika tanteraka ny lohan’ilay sprinter ary voatery tao izay teo anoloana, izay no anton’ny faharatràna. Nisy fahasimbàna koa ilay fiarabe saingy tsy nisy naratra tao anatiny. Isan-kerinandro dia hahitàna tranga toy izany hatrany ny lalam-pirenena, indrindra ny RN7. Tsy vitsy amin’ireo lozam-pifamoivoizana no nandatsaka ain’olona ary vao ny herinandro lasa teo no nisy maty maromaro vokatr’izany. Iny lalam-pirenena iny anefa no feno barazy indrindra an’ny mpitandro ny filaminana eto Madagasikara. Mahatratra 57 mandram-pahatonga any Toliara raha miainga eto an-drenivohitra. Dia mbola iny RN7 iny ihany koa no betsaka indrindra fanakanan-dàlana izay ataon’ny jiolahy. Izany dia midika fa tokony hovaina ny paikady entina hiarovana ny ain’olona, na izany avy amin’ny lozam-pifamoivoizana, na izany avy amin’ny fanafihana. Betsaka loatra ny mampiahiahy rehefa hizotra amin’iny lalam-pirenena iny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici