- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Roa taona taty aoriana vao hita faty

Ambatolampy : Roa taona taty aoriana vao hita faty

Renim-pianakaviana iray monina ao amin’ny tanàna antsoina hoe Tanamalaza, ao amin’ny distrikan’Ambatolampy, ity hita faty ity. Ny akanjony sisa no nahalalam-badiny azy. Io farany izay nikaroka nandritry ny roa taona, tonga hatrany amin’ny tranom-paty sy ny toerana maro. Notapahin-doha ilay ramatoa ary nalevina tao anaty lavaka, eo amin’ny roa kilaometatra miala ny trano fonenany ihany. Toa izao ny zava-nitranga, roa taona talohan’izao, izany hoe taminy volana janoary 2022, dia nisy nanafika ny tokantrano iray izay sady mpivarotra amin’ny ambogadiny ny entana ilaina amin’ny andavan’andro. Nofatorana ny raim-pianakaviana sy ny zanany lahikely ary tsy afa-nihetsika. Nofatorana koa ny vavan’izy ireo mba tsy afaka hiantso vonjy. Ilay ramatoa no noterena hanome vola. Tsy nisy afa-tsy iray hetsy ariary anefa tamin’io fotoana io ary izany dia nitarika ny hatezeran’ireo olon-dratsy. Nentin’izy ireo nanaraka azy ilay ramatoa. Teo ihany koa ny fotoana nahitàn’ny vady aman-janany azy farany. Ireo mpianaka indray dia olona sendra nandalo tao an-tranony ny ampitson’ny fanafihana no nahita azy ireo ka namaha ny fatotra sy nampandre ny mpitandro ny filaminana. Nanomboka teo ny fikarohana rehetra – na izany ilay ramatoa nalaina an-keriny na izany ny mombamomba ireo jiolahy – saingy tsy nahitàna mangirana mihitsy. Roa taona taty aoriana, raha nisy olona hanangana trano ka nanao fototra, akory ny hagagan’ireo raha nahita razana tao anaty lavaka. Efa simba tanteraka ka tsy nisy nahalalàna azy intsony raha tsy ny akanjony sisa. Mba liana nijery koa ny vadiny ary teo no nahafantarana ilay renim-pianakaviana. Notapahin-doha ary nalevina toa ny biby, ontsa tanteraka ny vady aman-janaky ny maty. Hatreto koa dia mbola tsy misy mangirana ny mombamomba ireo jiolahy mpandroba sy mpamono olona. Mbola mendrika ny hanokafana fanadihadiana lalindalina kokoa satria raha ny fizotry ny zava-misy dia tsy voatery ho nandeha lavitra ny mpanao ratsy matoa teo an-tanàna ihany no nalevina ny razana.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici