- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Voamboana miisa 400 mahery sarona

Ambatolampy : Voamboana miisa 400 mahery sarona

Saron’ny teo anivon’ny sampandraharaham-paritry ny  tontolo iainana eto Vakinankaratra ny voambona miisa 448 isa tao Tsinjoarivo Ambatolampy. Nandritra ny fitsidihana faritra iray tao Ambalaomby, toerana hatokana ho faritra vaovao harovana no nahasarona ireo hazo ireo. Raha ny angom-baovao voaray dia fa fantatra fa anabavina mpitondra ambony teo aloha no tena tompon’ireo hazo ireo, ary anatin’ny fanadihadiana ny tena marina ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana hamantarana ny tena marina. Fiara lehibe iray no nitatitra ireo hazo ireo ka tsy nisy afa tsy ny mpamily ilay fiara no voasambotra hatreto. Fantatra fa hazo avy ao Anosibe Anala, faritra Alaotra Mangoro no nakana ireo voamboana ireo, ary nokasaina haondrana ao Antananarivo,  kinanjo io sarona io. Araka ny fanazavan’ny talem-paritry ny tontolo iainana eto Vakinankaratra Ratefason Toditsara dia voararan’ny lalana ny fikapana, sy fitondrana azy ireny mivezivezy, ireo hazo nokapaina talohan’ny taona 2016 ka voaramarina amin’ny taratasy mazava ihany no afaka mivezivezy eto amin’ny tany sy firenena. Ireo Voamboana ireo anefa dia hita fa vao avy nokapaina mihitsy. Efa natolotra ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ambatolampy ny raharaha .

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici