- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatolaona : Lakana rendrika, olona iray namoy ny ainy

Ambatolaona : Lakana rendrika, olona iray namoy ny ainy

Ny talata alina lasa teo no rendrika ity lakana iray, raha handeha hiampita ny ranoben’Ampasimpotsy, fokontany Ambatolaona Andrefana. Ny roa lahy tamin’ireo mpandeha tao anatiny no avotra soa aman-tsara, raha natelin’ny rano kosa ny naman’izy ireo anankiray. Tsy hita moa ny vatana mangatsiakany raha tsy omaly maraina.

 

Handeha hamonjy marary no nialàn’ireto telo lahy ireto tao an-tranony tamin’io andro alina io, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany alina tany ho any. Tsy maintsy hiampita rano ny lalan’izy ireo tamin’izany vao mahazo ny tanànan’Andrenarivo, misy ilay reniben’izy ireo marary. Izy ireo, izay fantatra fa monina eo Ampitan’ny Barrage, fokontany Ambatolaona. Nandray lakana efa fitondran’izy ireo ihany izy telo lahy tamin’io alina io ary niroso hiampita ity ranoben’Ampasimpotsy. Nony tonga teny am-povoany anefa, raha ny fampitam-baovao azo dia nanomboka nidiran’ny rano ny vodin’ny lakana ary niha-nilentika tsimoramora. Nony farany dia rendrika tanteraka mihitsy. Voatery namonjy ny sisin-drano tamin’ny alalan’ny filomanosana izy ireo, kanefa ny andro maizina. Tafita soa aman-tsara ireo roa lahy saingy ilay naman’izy ireo lehilahy 41 taona, no tsy hita izay nalehany. Nampandre avy hatrany ny fokonolona araka izany ireto farany. Tonga teny an-toerana ihany koa ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambatolaona, rehefa nampandrenesina mahakasika ity voina ity. Hialàna amin’ny mety ho loza hafa mety hitranga, satria ny andro efa mandroso miha-alina hatrany dia notenenina ireo olona tsy hanatanteraka ny fikarohana ity lehilahy dobo an-drano ity. Vao maraim-ben’ny omaly kosa dia nirotsaka tamin’ny fitadiavana ireo mpamonjy. Tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany tany ho any no hita ny vatana mangatsiakany ary nampiakarina tety an-tanety. Taorian’ny fitsirihana nataon’ireo tompon’andraikitry fahasalamana dia natolotra ny fianakaviana ny razana. Amin’ny loza toa izao, indrindra fa namoizana ain’olona dia tsy maintsy misy foana ny fanokafana ny fanadihadiana. Ny zandary any an-toerana no miandraikitra izany, raha ny fampitam-baovao azo hatrany.

m.L

 

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici