- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolaona : Taxi-brousse may kila forehitra

Ambatolaona : Taxi-brousse may kila forehitra

Karaokam-by no sisa tavela tamin’ity fiara Sprinter Phase 3, nirehitra tetsy Ambatolaona, tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny omaly. Taxi-brousse mampitohy an’Ambatondrazaka sy Antananarivo izy ity, raha ny fanadihadianay teny an-toerana. Soa ihany, tsy nisy ny aina nafoy. Tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro latsaka tany ho niseho ny loza, raha ny fitantaran’ireo mpandeha tao anatiny. Efa somary nisy olana izy io, raha vao niala tany ary mbola namboarina teo Marozevo afakomaly, raha ny filazan’ireo mpandeha hatrany. Tsy afaka mihitsy ilay fiara nony teo, hoy indray ny mpamily saingy nentiko moramora hatrany. Nony nahazo io lalam-piakarana, avy eo Ambatolaona io izy no nisy nidonaka avy tao amin’ny motera. Nijanona aho ary nijery izany, kanjo efa setroka sy lela afo no nijolofotra avy any. Samy niezaka namono ny afo sy namonjy izay azo novonjeny avokoa ireo mpandeha tao anatiny, saingy indrisy fa vetivety dia nihanaka izay tsy izy ny lela afo. Ho an’ireo mpivady nanontanianay, isan’ireo mpandeha tao anatin’ity fiara ity dia ireo entana kely hany sisa teny an-tanana sisa no avotra. Tsy nisy noraisina ireo entana rehetra teny ambony tafo. Mbola nidonan-tsetroka ireo voankazo sy trondro maina natao voan-dalana. Samy nanao izay nihazoany ny renivohitra avokoa moa taorian’izay ireo mpandeha. Marihana fa avy any Ambatondrazaka ary handeha hiakatra aty an-drenivohitra ity fiara ity, tamin’izy tra-doza izao, raha ny fanadihadianay hatrany. Efa nampandrenesina mahakasika ity loza teny amin’ny lalam-pirenena faharoa ity moa ireo tomponandraikitry ny filaminana misahana izany faritra izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici