- Publicité -
jeudi, octobre 1, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatolaona : Zandary mpiana-draharaha namoy ny ainy tany am-piofanana

Ambatolaona : Zandary mpiana-draharaha namoy ny ainy tany am-piofanana

Ny talata lasa teo, zandary mpiana-draharaha iray no namoy ny ainy tany Ambatolaona. Nandritra ny fampiofanana azy ireo ho « mpianady » ity mpiana-draharaha ity no dobon-drano, araka ny fampitam-baovao azo. Amin’ny maha-« mpianady » azy izany dia somary mafimafy tokoa ny fiofanana natrehan’ireo zandary ireto ary mazava ho azy fa na andro na alina dia misy fampianarana avokoa. Tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany tany ho any mantsy no niseho ity tranga tsy nampoizina ity. Nezahin’ireo mpiara-miofana novonjena izy saingy indrisy fa tsy tratra intsony ary dia izao nindaosin’ny fahatesana izao. Io alina io ihany dia efa nidina tany an-toerana ny tomponandraikitra. Nalefa tany amin’ny hôpitaly tany Manjakandriana kosa ny razana nanaovana fizahana. Ary nampiakarina aty an-drenivohitra, alohan’ny hitondrana azy any Befandriana Avaratra, raha ny fampitam-baovao azo. Marihana fa miasa ao Betongolo ity zandary mpiana-draharaha namoy ny ainy ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici