- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmbatomainty : Fifandonana tamin’ny dahalo, zandary iray sy olona iray maty voatifitra

Ambatomainty : Fifandonana tamin’ny dahalo, zandary iray sy olona iray maty voatifitra

Fifandonana nahery vaika no niseho tao amin’ny fokontany Tsinjorano ao amin’ny kaominina Makaraingo ao amin’ny distrikan’Ambatomainty, any amin’iny faritra Melaky iny, teo amin’ireo mpanara-dia sy ireo andian-dahalo, ny andron’ny Paka teo. Vokany, zandary mpiana-draharaha iray no namoy ny ainy, niaraka tamina olona iray isan’ireo mpanara-dia. Nisy dahalo roa ihany koa maty tsy afa-manohy ny asa ratsiny, saingy, araka ny fampitam-baovao azonay dia nobatain’ireo namany nentiny nandositra ireo razana ireo.  Raha ny zava-nitranga dia nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny tanana iray tao Ambonarabe, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo. Nahatratra tany amin’iny 30 lahy tany ho any ireto malaso ireto, ary nirongo fitaovam-piadiana. Omby niisa teo amin’ny 500 teo no lasan’izy ireo tamin’izany. Vao avy nanafika anefa ireto farany dia nifamory ny fokonolona ary niroso tamin’ny fanarahan-dia, nampian’ireo zandary tany an-toerana. Teo amin’izany fokontany Tsinjorano izany no nifankatratra ireo mpanafika sy ny mpanara-dia ka velona teo ny fifandonana. « Olona roa tamin’ireo mpanara-dia no lavo ka isan’izany ny “gendarme stagiaire » miasa ao amin’ny PA Marotsialeha. Tafatsoaka indray hatreo ireo dahalo niaraka tamin’ny omby rehetra rehefa mbola niezaka tamin’ny famonjena ny ain’ireo olona roa voatifitra ny mpanara-dia ” hoy ny vaovao. Tsy nijanona hatreo anefa fa nifandamina ireo mpanara-dia ka nisy ireo nitondra ny razana niverina ary nisy ireo mbola nanohy hatrany. Efa niomana tamin’ny fanakanana ny lalan’ireo olon-dratsy koa anefa tetsy andanin’izay ny zandary sasany tamina tobim-paritra manodidina. Ny alahady antoandro dia tratra indray ireo malaso ka nisy ny fifandonana. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia nisy roa tamin’ireo olon-dratsy no lavo ary nisy telo hafa naratra. Vaky nandositra araka izany izy ireo namela ireo omby teo, izay efa naverina tamin’ny tompony, araka ny tatitra azo hatrany.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici