- Publicité SW45 -
mardi, octobre 15, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatomainty : Sinoa nitam-basy nosamborina

Ambatomainty : Sinoa nitam-basy nosamborina

Teo amin’ny toeram-pivarotan-toaka iray teo an-toerana no nitranga ny disadisa. Lehilahy efatra farafahakeliny no nidaroka iray hafa izay lavo tamin’ny tany. Tampoka teo nisy teratany sinoa iray izay nivoaka ary nanambana basy no sady nidaroka ny roa tamin’ireo lehilahy. Naratra ny roa ary tao anatin’izay no nisy olona niantso ny mpitandro ny filaminana izay tonga teo an-toerana. Ny zandary no nidina an-tsehatra ary nanontany tsara ny olona aloha tamin’izay zava-niseho nitarika ny disadisa. Samy nanana ny fanazavany teo ary tsy mbola voafaritra mazava ny tena nitarika ny olana. Ny olona rahateo dia nifanjevo nitangorona ary samy nitabataba naneho ny hatezerany. Eo akaikin’ny bar rahateo ary zaran’ny mpisotro aza nahita sarimihetsika mivantana. Nalain’ny zandary ilay sinoa ary nentin’izy ireo nanaraka azy tany amin’ny birao mba hanokafana fanadihadiana. Misy ny milaza fa efa mpidaroka olona toy izany io farany. Nisy koa ny nahavita naka sary ny zava-nitranga ary raha ny tsikaritra dia efa raikitra ny rombo vao tonga ilay sinoa nanambana basy sy nidaroka. Eo indrindra no mipetraka ny fanontaniana raha tonga handrava ny ady izy na koa tonga hanindry na koa namany ilay voadaroka ka hamonjy azy izy. Tao anatin’izany rehetra izany anefa no nisy ny famoahana basy ary nentina nandrahonana sy nandratràna tamin’ny kapoka vodibasy. Ny fanadihadian’ny zandary izay mbola nanao ny fihainoana omaly no mety hanamarika ny tena zava-niseho. Ho an’ny olona teo an-toerana dia nisy ny nangataka ny hanalàna ilay sinoa tsy hipetraka eo intsony.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici