- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatomanoina Anjozorobe : 46 amin’ireo voapozina ara-tsakafo sisa no ao amin’ny hopitaly

Ambatomanoina Anjozorobe : 46 amin’ireo voapozina ara-tsakafo sisa no ao amin’ny hopitaly

Ny andron’ny alakamisy teo, nandritry ny fampisehoana iray tany an-toerana dia olona an-jatony  teo no tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo tao amin’ny kaominina Ambatomanoina, distrikan’Anjozorobe.

Araka ny angom-baovao azo avy any an-toerana dia ny sabotsy teo vao tena nipoitra tanteraka ny fambaran’aretina tamin’ireto olona voapoizina ireto. Manodidina ny 507 no isan’ireo noraisina an-tanana teny anivon’ireo tobim-pitsaboana rehetra tany an-toerana, ka ny 146 tamin’ireo olona ireo ihany no voatery niditra hopitaly. Ankizy telo taona no zandriny indrindra ary 57 taona no zokiny indrindra. Araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitry ny fitsaboana tany an-toerana hatrany dia tsy misy ahiana mihitsy ny ain’izy ireo noho ny fandraisana an-tanana malaky nataon’ireo mpitsabo. Efa maro tamin’ireo nahiditra hopitaly no nalefa nody. 46 sisa no voatazona sy araha-maso ara-pahasalamana. Na izany aza, heverina fa efa alefa mody anio izy ireo, araka ny fanazavana azo hatrany.

Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava ny antony nahatonga izany. Mbola halefa hotsirihana mantsy ireo singa rehetra hoy hatrany ny vaovao. Na izany aza anefa dia nahiana ho mety vokatry ny fihinanana “mayonnaise” no antony satria nisy an’izay avokoa ny sakafo nohanin’ireto narary ireto.

Nalaky niparitaka haingana tao anaty tambajotra sosialy moa ity resaka ity ary voatonotonona tao ny fikamban’ny vadin’ny zandary na ny Fivaza, izay voalaza fa nikarakara sakafo tamin’io. Nitondra fanazavana mahakasika izay ny tomponan’andraikitry ny zandary tany an-toerana fa anisan’ny nivarotra hani-masaka tao izy ireo saingy ny fitadiavam-bola nataon’izy ireo dia tsy nahasahana velively ny sakafon’olona 500. Izany hoe nisy mpivarotra hafa tao amin’io fampisehoana io fa tsy ry zareo avy amin’ny Fivaza irery. Na izany aza dia tsy niala andraikitra akory izy ireo fa nandray an-tanana avy hatrany ireo narary niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra sy ny manam-pahefana tany an-toerana. Nanamarika moa ity tompon’andraikitra fa tsy maintsy misy ny fanokafanana fanadihadiana mahakasika ity tranga. Ary hatreto tsy mbola nisy fitoriana voarain’izy ireo, araka ny vaovao miely anaty tambajotra sosialy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici