samedi, avril 26, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomaro : « Bal » faran’ny taona niafara tamin’ny tsindron’antsy

Ambatomaro : « Bal » faran’ny taona niafara tamin’ny tsindron’antsy

Niafara tamin’ny sakoroka ny alim-pandihizana nitsenana ny taona vaovao, ny alin’ny faran’ny taona teo teny amin’iny faritra Ambatomaro iny. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia niainga tamin’ny fifamaliana madinidinika tao anaty « bal » iray teny an-toerana izany ny raharaha. Mazava ho azy fa nasesiky ny zava-pisotro mafana izay nirarakompana nanomboka ny hariva ary nitohy ny alina  izany ka tsy nijanona teo intsony. Raha iny nihevitra fa nilamina iny ny rehetra no injao fa mbola re nitohy tany ambadika tany ny fifamaliana. Nifampitaritarika tany ny roa tonta izay samy niantso ny namany. Raikitra ny sakoroka teo amin’ny « terrain ». Raha ny vaovao azo hatrany dia nisy ny naratra vokatr’izay  ady saritaka izay, satria nisy sasany tamin’izy ireo no nitondra zava-maranitra ary tsy nisalasala velively nampiasa izany. Tovolahy iray no voalaza fa voatrobaka ary nezahin’ireo namany nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Voa mafy ihany ilay naratra raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso hatrany. Ny hafa kosa niparitaka toy ny tsy teo taorian’izay.

Araka ny nambaran’ireo mponina eny amin’iny faritra iny dia tranga efa hampoizina foana ny toe-javatra tahak’izay raha vao misy fety aman-danonana arahana zava-pisotro misy alikaola ary indrindra moa fa hoe misy alim-pandihizana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici