- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmbatomaro : Jiolahy mpanafika voasambotra

Ambatomaro : Jiolahy mpanafika voasambotra

Nadoboka am-ponja avy hatrany ny tovolahy iray 26 taona, izay voarohirohy tamina resaka fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra, voasambotry ny pôlisy miady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika sy ny sampana misahana ny heloka bevava. Ny faran’ny herinandro lasa teo no tra-tehaka teny Ambatomaro ity tovolahy ity, rehefa napetraka ny vela-pandrik’ireto mpitandro filaminana ireto. Raha ny fanazavàna azo dia isan’ireo nandray anjara tamin’ilay fanafihana mitam-pidiana roa niseho teto an-drenivohitra ity tovolahy ity. Marihana tokoa mantsy fa efa saika fantapantra avokoa ny endrikendrik’ireo mpanafika tamin’ireo fanafihana ireo, na tamin’ny alalan’ny endrika fantatry ny manodidina izany na tamin’ny alalan’ny « camera de surveillance ». Nanomboka teo ny fikarohana azy ireo ary izao tratra teny Ambatomaro teny izy. Mbola eo an-dalam-pikarohana ireo namany hafa kosa ireo mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Ity voasambotra ity kosa dia natolotra ny Fampanoavana omaly ary izao nadoboka am-ponja vonjimaika izao.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici