- Publicité -
jeudi, septembre 3, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatomaro : Jiolahy raindahiny mpampihorohoro, voasambotry ny pôlisy

Ambatomaro : Jiolahy raindahiny mpampihorohoro, voasambotry ny pôlisy

Tapitra hatreo indray aloha ny fandrenesana ny fampihorohoroan’i Menaka sy Bali, eny amin’iny faritra Ambatomaro sy ny manodidina iny. Ny alarobia teo ry zalahy ireto no voapaingotry ny pôlisy teny an-toerana, raha teo am-pikasana ny mbola hanao ny asa ratsiny.

Fanendahana, halatra, famakiana trano … samy angadin’izy roa lahy ireto sy ny namany avokoa. Raha jerena ety ivelany fotsiny dia kely jerena ry zalahy ireto. Mbola « bandy » kely kanefa raha ny zava-bitany sy ny fitondràny fampihorohoroana ho an’ireo mponina eny an-toerana dia tena goavana. Fantatra anarana sy tena hikoizana hatrany ary mampandry andriranantsy ny mponina hoy ny pôlisy. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy afa-niala intsony ry zalahy raha tafaporitsaka hatrany hatramin’izay. Tamin’io alin’ny alarobia lasa io mantsy dia teo am-pidirana an-keriny tamin’ny tokantrano iray teny an-toerana ry zalahy no nampandre avy hatrany ny pôlisy ny tompon-trano. Ao anatin’ny hetsika manokana, entina miady amin’ny tsy fandriampahalemana moa ny pôlisy amin’izao ka manao fisafoana tsy tapaka amin’ireo faritra mafana. Tsy ela araka izany dia tonga teny an-toerana izy ireo ka noraisim-potsiny tao izy roa lahy ireto. Ary nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny pôlisy sy natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy ireo.

« Ahiana mafy ho mbola misy naman’izy ireo hafa miafina anaty fiarahamoninina any ka tsy maintsy karohina ary ho fantarina anaty famotorana izany » hoy hatrany ny pôlisy. Araka izany, entanina hatrany ny tsirairay hampandre ireo mpitandro filaminana raha misy tranga mampiahiahy na mety ho manana vaovao mahakasika ireo tontakely izay mbola miriaria eny anivon’ny fiarahamonina eny. Raisina ho tsiarambaratelo tanteraka hoy ny pôlisy ny fanomezam-baovao rehetra.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici