Hatairana tsy nisy toa izany ny an’ireto olona tao amin’ity tokatrano iray teny Ambatomaro, tsy lavitra lotra ny lalam-baovao Rocade, omaly raha nifoha maraina izy ireo. Lehilahy iray, tokony ho tany amin’ny 30 taona any ho any mantsy no nidaboka teo an-tokontany, toa olona matory kanefa rehefa nojerena akaiky dia olona efa maty. Nampanantsoina teo haingana moa ny teo anivon’ny fokontany, ary ireto farany indray no niantso ny mpitandro filaminana sy ireo tompon’andraikitra hafa. Raha ny tompon’andraikitra iray teo anivon’ny fokontany, dia tsy olona velively ao izy. Ny rehetra teny amin’ny manodidina ihany koa dia tsy nisy nahalala izany lehilahy izany. Tetsy andanin’izay rahateo moa, tsy nisy taratasy nahafahana namantarana azy teny aminy. Raha ny tombatomban’ny olona sendra nijery dia hoe lehilahy mipetraka eny amin’izany toerana antsoina hoe Ampasika izany izy io ary isan’ireo mpiasa eo anivon’ny orinasa mpandraoka fako eto an-drenivohitra.
Hatreto, tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga ity lehilahy ity ho namoy ny ainy teo amin’io toerana io. Raha atao tomba-maso fotsiny mantsy ny razana dia tsy nahitàna ratra na faritra mangana. Feno fotaka sy rano maloto fotsiny ny fitafiany. Vinavina ny hoe mety homamo dia latsaka tao anaty tatatra ary maty an-drano kanefa nahagaga ny nahafahany niala tao indray ary teny amin’ny tany maina vao namoy ny ainy. Tazana teny an-toerana moa ny mpitandro filaminana misahana iny faritra iny ary heverina fa tsy maintsy hosokafana ny fanadihadiana.
m.L