- Publicité -
mercredi, mai 21, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomaro : Mila vonjy ireo olona telo may tao an-tranony

Ambatomaro : Mila vonjy ireo olona telo may tao an-tranony

Miantso vonjy sy fanampiana ireto olona telo mianaka, may tao an-tranony ny alahady lasa teo, teny Ambatomaro. Manaraka fitsaboana ao amin’ny HJRA izy ireo amin’izao fotoana izao. Araka ny ny fanazavana, nisy nandoro ny tranon’izy ireo, ka nitarika ny fahamaizan’ireto telo mianaka ireto. Ny olona teny amin’ny manodidina nilaza mihitsy fa izy mianakavy kely no nokendrena nodorana tamin’izany. Voavonjy ara-potoana anefa, ary nifanome tanana ny fokonolona tamin’ny famonjena sy ny fanampiana azy ireo. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha. Toe-javatra izay hafahafaha ihany satria olona somary sahirana eo an-tanana izy ireo, ary voalaza fa tsy dia misy olana loatra eo amin’ny fokontany. Azo antoka anefa fa misy ny lonilony raha tena izy ireo tokoa no nokendrena tamin’ny fandoroana ny trano. Izany hoe efa asa ratsy miaro vonoan’olona ny raharaha. Miandry izay famotorana ataon’ny mpitandro filaminana ny rehetra. Ireo telo mianaka kosa, miandrandra fanampiana avy amin’ny malala-tanana.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici