- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmbatomaro : Mpamaky fiara nifanenjehana

Ambatomaro : Mpamaky fiara nifanenjehana

Lehilahy iray no nifanenjehan’ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, teny amin’iny faritra Ambatomaro iny, rehefa hafahafa fihetsika ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Tsy ela moa dia voasambotra ranamana ka tamin’ny fisavàna sy ny fakàna am-bavany azy no nahafantarana fa olon-dratsy, avy namaky fiara, tsy lavitra teny an-toerana izy. « Tokony ho tany amin’ny roa ora maraina tany ho any no nifanena tamin’ireo pôlisy mpanao fisafoana ity lehilahy ity, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy.  Vantany vao nahatazana ny mpitandro ny filaminana izy dia nandositra ary nenjehin’ny polisy ka tratra tsy lavitra teo ». Mbola nahitàna ireo kojakojam-piara, izay avy nangalariny moa tany aminy, raha ny fampitam-baovao hatrany. Nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy avy hatrany moa ity farany hatao fanadihadiana ary natolotra teny anivon’ny Fampanoavana omaly.

Maro tamin’ny olon-dratsy mihitsy no nanararaotra ireo faran’ny herinandro fihibohana tanteraka nihatra teto an-drenivohitra nandritra ny herinandro vitsivitsy izay. Soa ihany anefa fa mbola eo ihany koa ireo mpitandro filaminana manao fisafoana andro aman’alina amin’ireo faritra rehetra somary mafampana. Anisan’izany ny eny amin’iny faritra Ambatomaro sy Antsobolo iny.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici