Tranga mampihoron-koditra tanteraka no nisy tetsy Ambatomaro omaly maraina. Tovolahy iray manodidina ny 19 taona tany ho any no hita faty teny an-toerana. Tovolahy izay voalaza fa mpianatra very, tsy hita nanomboka ny alatsinainy teo. Mitohy hatrany ity trangan-kerisetra, vono olona sy hala-jaza izay toa lasa mampikorontsaina olona eto an-drenivohitra. Omaly, hita teny Ambatomaro, tao anaty carrière, ny tovolahy kely iray, izay nanaovana ombay mitady ny alatsinainy teo. Araka ny angom-baovao azo mantsy dia tsy hita teny amin’ny faritra Analakely iny ity tovolahy monina eny Soavimasoandro ity, raha nivoaka nanao sortie pedagogique niaraka tamin’ny mpiara-mianatra aminy. Tsy lavitra ny magazay Super U teo izy no tafasaraka tamin’ny namany ary tsy hita tany nanjavonana hatreo. Indrisy fa dia izao hita, saingy efa vatana mangatsiaka izao. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny tompon’andraikitry ny fokontany teny Ambatomaro Antsobolo, izay nandray andraikitra avy hatrany, dia tokony ho tamin’ny fito ora maraina teo no nisy nampilaza izy ireo. Mampihoron-koditra tanteraka ny zava-nisy satria dia novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ilay tovolahy. Avy nesorina ny nofo rehetra tamin’ny ilam-peny niaraka tamin’ny taovam-pananahany. Raha ny angom-baovao hatrany dia ankevitry ny tsy novonoina teny an-toerana izy io fa tamin’ny toeran-kafa, avy eo natsipy tao anatin’io karieram-bato io. Efa nidina teny an-toerana moa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, niaraka tamin’ny mpitandro filaminana. Taorian’ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo dia efa nomena ny fianakaviana ny razana. Misokatra kosa etsy andanin’izay ny fanadihadiana mahakasika ity vono olona ity sy ireo mitranga etsy sy eroa. Tsiahivina mantsy fa mitovy tanteraka tahaka ity tranga teny Ambatomaro ity ny namonoana ihany ko an’ilay raim-pianakaviana, hita faty teny Bongatsara Atsimondrano, ny herinandro lasa teo.
m.L




