Solosaina roa, antontan-taratasim-panjakana marobe no indray levon’ny afo, vokatry ny fahamaizana tao amina efitrano iray tao amin’ny Trano pirintim-pirenena tetsy Ambatomena, Analakely ny talata alina lasa teo. Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny afo. Raha ny fantatra dia tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany ho any no nahitana setroka mainty nivoaka tao amin’io efitrano io. Nikoropaka avy hatrany ireo mpiambina niantso ny mpamonjy voina sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Somary nanano sarotra ihany ny namono ny afo raha ny fantatra hatrany. Tetsy an-danin’izay ny fitandremana ireo antontan-taratasy tsy ho lenan’ny rano. Na izany na tsy izany aza anefa dia fotoana vitsy ihany dia efa voafehy tsy hitatra tany amin’ny efitrano nisy ny fanontana pirinty izany. Avotra soa aman-tsara avokoa ireo milina ireo, ankoatra ireo solosaina roa tao amin’ilay efitrano levon’ny afo. Antontan-taratasim-panjakana maromaro kosa no lasa lavenona tanteraka, izay mbola tsy fantatra hatreto na inona na inona. Hatreto dia mijanona ho mistery tanteraka ny antony nahatonga ny afo. Tsy nahazoana vaovao rahateo mahakasika izany ny teny an-toerana, noho ny tsy fisian’ny tompon’andraikitra afaka nandray ny mpanao gazety. Ny hany valin-teny azo fotsiny dia hoe “aleo handeha ny fanadihadiana fa rehefa mivaly izany dia miantso ihany izahay”. Natao fanahy iniana nodorana ary ve ity efitrano tao amin’ny Trano pirintim-pirenena ity sa loza vokatry ny tandrevaka ihany ? Ary mety ho inona no tombotsoan’ireo mpandoro ? Isan’ny trano mitahiry ireo taratasim-panjakana, eny hatramin’ny mety ho tsiambaratelom-panjakana mantsy ny trano pirintim-pirenena. Fantatra fa efa mandeha ny famotorana, izay noraisin’ireo pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy.
m.L