Nisehoana hain-trano mahatsiravina tao amin’ny fokontany Ambatolampikely kaominina Ambatomiady, distrikan’Antanifotsy ny faran’ny herinandro lasa teo. Nijoalajoala ny afo, trano am-polony no volaza fa kila firehitra, trano mbola tsy vita , eo andalam-panamboarana no voalaza fa niandohan’ny firehetana voalohany. Feno mololo teo an-tokontany ka vetivety dia nahazo laka ny afo, ny rivotra rahateo nifofo hoy ny fanazavana, niparitaka ny lelan’afo, voalaza fa tafo bozaka avokoa ny ankaramoan’ny trano teo amin’ny manodidina ka vetivety dia niitatra ary tsy voafehy intsony. Tsy nisy aloha ny aina nafoy na olona naratra fa ny fahavoazana nianjady tamin’ireo niharam-boina no tena mafy, satria tsy nisy azo norasina fa kila avokoa ny fananana sy tahiry kelin’ireo tantsaha. An-tapitrisany maro ny tombambidin’ny entana levon’ny afo raha ny fantatra hatrany. Niezaka namono ny afo ny fokonolona saingy tsy nahefa firy noho ny firehetana be loatra. Tantsaha no ankamaroan’ny niharam-boina, may ny vokatra ny masom-boly, ny fanaka eny fa hatramin’ny tahirim-bola. Manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana izy ireo mangataka fanampiana hentina hanorenena ny fahavoazana sy hivelomana, ny andro rahateo fahavaratra.
Andry N.




