Olona telo voalaza fa mpisandoka andraikitra no nampidirin’ny Fitsarana vonjimaika eny amin’ny Fonjan’i Tsiafahy tamina raharaha nahavoarohirohy olona maromaro manana andraikitra ambony. Ny vaovao nampitain’ny avy ao amin’ny seraseran’ny zandarimariam-pirenena dia milaza fa misy mpitandro filaminana manamboninahitra ao amin’ny polisim-pirenena, mpampianatra sy mpanolo-tsaina ao amin’ny asam-panjakana amin’ireo nogadraina ireo.
Ny 9 septambra teo no nahatratrarana ity tambajotrana mpisandoka andraikitra sy mpanery olona handoa vola ity. Ny alakamisy 8 septambra 2016 hariva teo dia nisy fitarainana azon’ny zandarimariam-pirenena ao Ambatomirahavavy tamin’ny mpandraharaha iray monina eny ihany momba ny fisian’ny olona telo nilaza fa mpiasan’ny ministeran’ny asam-panjakana sy mpitsara nitaky vola 7 tapitrisa Ariary taminy mba tsy higadrany ny marainan’io andro io ihany, teny amin’ny tsenany teny Anosibe. Nolazain’izy ireo fa mampiasa zaza tsy ampy taona ao amin’ny orinasany ity mpandraharaha ity ka izay no antony. Taorian’io fitarainana io dia efa niandry azy ny zandary teny Ambatomirahavavy. Nisy ny vola efa naloa ary nisy ny ampahany nandrasana. Rehefa nigadona ny ora nifanomezana dia tratra ireo mpisandoka ka anisan’izany ny mpivady mpiasa ao amin’ilay orinasa. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa miisa hatrany amin’ny 13 ireo mpisandoka ireo. Mbola misy ireo karohan’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao mikasika ity raharaha ity. Nahabe resaka teo anivaon’ny fitsarana ity tranga iray ity. Tsy nikely soroka anefa ny zandarimariam-pirenena nanao ny asany sy nampita ny vaovao ho fantatry ny rehetra.
Nangonin’i r.s.