- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatomirahavavy : Tokantrano voatafika, voarohirohy ny mpiambina

Ambatomirahavavy : Tokantrano voatafika, voarohirohy ny mpiambina

Nendahin’ireo mpanafika hatramin’ny peratra teny an-tanan’ny tompon-trano, tamin’io alin’ny sabotsy hifoha alahady io tao Vohitsoa, Ambohidranomanga, kaominina Ambatomirahavavy. Niantefan’ny ahiahy voalohany tamin’ity fanafihana nitranga tao an-toerana ity ny mpiambina izany tanàna izany. Efa nosamborina sy natao fanadihadiana moa ity farany, izay araka ny filazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro filaminana dia nahitàna entana halatra avy tao amin’ilay trano voatafika tao an-trano. Raha ny zava-nisy tokoa, tokony ho tamin’ny roa ambin’ny folo ora alina mahery telopolo minitra tany ho any no niezaka nananika ity tanàna ity ny bandy efa-dahy, izay voalaza fa nitondra basy poleta vita gasy sy zava-maranitra isan-karazany. Nanao amboletra ny varavarana fidirana izy ireo tamin’io fotoana io ary tafiditra tao an-tokantrano nony farany. Voafehin’izy ireo tsara ireo tompon-trano, izay tsy afaka nigiaka na feo tokana aza, hamoha ny mpiambina sy ny manodidina aza. Rehefa voafehy sy tsy afa-nanohitra intsony ireto tao an-trano dia nanomboka tamin’ny fisavasavana ny trano, teo am-pikarohana ireo zavatra sarobidy rehetra izy ireo. Tsy tahotra tsy henatra mihitsy no nibatany izay rehetra lafovidy, eny fa na hatramin’ny firavaka toy ny peratra teny amin’ny rantsan-tanan’ny tompon-trano aza. Ity farany moa, noho ny tahotra, dia nanome izay rehetra notadiavin’izy ireo. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia vola manodidina ny 50 000 ariary teo ho eo no lasan’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io, nampian’ireo entana isan-karazany. Nitsoaka toy ny mahazatra moa izy ireo taorian’ny fanafihana nataony ary taorian’izay vao afaka nampandre ny zandary ireto lasibatra. Ireto farany izay vetivety ihany dia tonga teny an-toerana ary nanao avy hatrany ny savahao ny manodidina. Niantefan’ny ahiahy voalohany tamin’izany ny mpiambina, izay nilaza fa tsy nahare na inona na inona hoe. Nandroso nanao ny fisavàna ireo mpitandro filamainana ka io tratra tao aminy io ny iray tamin’ireo entana nangalarina. Efa mandeha moa ny fanadahadiana sy ny fikarohana ireo mpanao ratsy izay ataon’ny avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandary ao Ambatomirahavavy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici