Nahazo vaovao ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambatomirahavavy fa misy olona mamboly rongony amina faritra lehibe ihany eny an-toerana. Avy hatrany dia nidina tany an-toerana ireo mpitandro filaminana, tany amin’ny toerana antsoina hoe Ambohitrinibe, kaominina Antambolo Arivonimamo, tamin’ny alatsinainy lasa teo. Tamin’izany no nahitan’ireo zandary ireo voly rongony miisa 421 fototra. Nambolena niaraka tamin’ny tsaramaso sy « petit pois » ireo rongony ireo nentina nananfenana azy. Avy hatrany dia raikitra ny fikarohana izay tompony ka olona roa no nosamborina. Rehefa nohadihadiana izy ireo dia nanaiky fa tompon’ireo voly rongony ireo, hoy ny vaovao voaray avy amin’ny mpitandro filaminana. Avy eo, nanondro olona dimy ireto olona ireto izay nolazaina fa mpiara-miombona antoka aminy. Rehefa tratra ireo olona ireo, nahitana voan-drongony 165 grama tany aminy, izay voalaza fa efa vonona hambolena. Rehefa vita tanteraka ny fanadihadiana azy ireo dia hatolotra ny fitsarana izy fito ireo. Araka ny nolazain’ny CB eny Ambatomirahavavy moa, ny ny GP1C Rakotozanany Solofohaja David, manainga hatrany ny be sy ny maro izy hanome vaovao hiadiana amin’ny asan-jiolahy isan-karazany indrindra ny fiezahana amin’ny fihenahan’ny zava-mahadomelina izay fantatra fa fototry ny firongatry ny asan-jiolahy isan-karazany amin’ny faritra rehetra.
r.s.