- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Dahalo roa maty voatifitra

Ambatondrazaka : Dahalo roa maty voatifitra

Efa-dahy monja ireo dahalo. Fokontany iray no voatafika. Omby am-polony no very tamin’io fotoana io. Tsy nanaiky nolembenana ny fokonolona nampian’ireo zandary avy amin’ireo toby manodidina fa avy hatrany dia nanara-dia. Raikitra ny fifandonana.

Tao amin’izany fokontan’i Betainomby ao amin’ny kaominina Amparihintsokatra, any amin’iny distrikan’Ambatondrazaka iny no nisehoan’ity fanafihana ity, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo. Mirongo basy sy zava-maranitra ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io ary nanao izay danin’ny kibony namoaka ireo omby rehetra tao am-bala. Rehefa lasa nitsoaka niaraka tamin’ny hazany izy ireo, vao afaka niantso vonjy ireo fokonolona, izay efa nifamory sahady handeha hanara-dia ny omby very. Tonga haingana tany an-toerana ihany koa ireo zandary avy amin’ireo « poste » manodidina, ny tao Andreba Gara sy tao Imerimandroso. Tao amin’ny fokontany Antokazo, kilaometatra vitsy miala ilay fokontany voatafika no nifanehatra tamin’ireo malaso izay teo am-pandroahana ireo omby avy nangalarina ireto mpanara-dia. Raha vao nahita izany ireo efa-dahy dia nitifitra avy hatrany. Voatery namaly ihany koa ireo mpanara-dia ka roa tamin’ireo olon-dratsy no lavo, sy tsy afaka manohy intsony ny asa ratsiny. Ary nanao tari-dositra nitsoaka ireo namany hafa. Mbola mitohy amin’ny fikarohana ireo tafatsoaka moa ireo mpitandro filaminana. Nisy ampahany tamin’ireo omby kosa no tafaverina tamin’ny tompony.

Ambatondrazaka, Ankazobe, Anjozorobe, isan’ireo distrika voasokajy ao anatin’ny faritra mena amin’ny asan-dahalo raha any amin’iny tapany avaratry ny renivohitra iny. Mifanakaiky sy mifanila ireo distrika telo ireo ary mazàna dia any amin’ireo toerana hifanapahan’ny sisin-tany no tena manjaka ity resaka halatra omby ity. Any amin’ireny toerana ireny araka izany no tokony hamafisina ny isan’ireo mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici