Tao anatin’ny lanonana ara-miaramila tsotra nefa manana ny maha-izy azy no nahatontosana ny famindram-pibaikoana teo amin’ny Colonel Ranaivonampoizina Harilaza, lehiben’ny zandary taty Alaotra Mangoro teo aloha, sy ny Colonel Randriamaharivo Hery Lala izay hitantana ny fibaikoana vondron-tobim-pileovana Alaotra Mangoro vaovao eo anivon’ny zandary. Tao amin’ny kianja Rasolonjatovo no nanaovana ny lanoanana ara-miaramila rehetra, ny faha 19 may 2017 teo, izay nahitana ny General de division Ramiandrasoa Jean De Dieu Daniel, Komandin’ny zandarimaria Nasionaly. Tao aorian’ny famindrana ny fibaikoana niampy matso lehibe dia nitohy tetsy amin’ny espace Laza Antanifotsy ny lanonana, ka nanambaran’ny Komandin’ny zandarimaria nasionaly ny baiko tokony harahan’ny zandary. Tsy hitsitsy fa hanenjika ny fanaovana kolikoly eo anivon’ny zandary izy. Tsy mahazo fibaikoana hiasa amin’ny toerana niaviany ny zandary iray mba tsy hisian’ny kolikoly sy ny tsy fandraisana andraikitra. Tsy maintsy 3 taona dia afindra ireo manamboninahitra mitazona ny fibaikoana, ary nanentana ny rehetra mpiara-miasa izy mba hifanampy amin’ny zandary. Tsy ekena kosa ny kolikoly eo anivon’ny zandary, na iza izy na iza, hoy ny fanazavana. Raha mahakasika ny vondrotobim-pileovan’ny zandarimaria eto Alaotra Mangoro kosa indray dia efa nahatratra 15 ireo manamboninahitra nibaiko teto nanomboka ny 25 Jona 1976 ka hatramin’izao .Ny vondron-tobim-pileovana Alaotra Mangoro dia misy kaompania 3 dia Ambatondrazaka , Andilamena ,Moramanga, izay ahitana « cellule de coordination 1 any Anosibe An’ala , « peleton Mobiles portées 3 , « brigadede police de la route » 1 ao Moramanga, Brigade 12 ,Poste avancés 15 ary Poste FIXES . Olomanan-kaja sivily ary miaramila maro no nanome voninahitra ny lanonana rehetra ary dia nofaranana tamin’ny alim-pandihizana miavaka niarahana tamin’ny fikambanan’ny vadin’ny zandary aty Alaotra izany , ka masoandro maty no nampalahelo.
Janus R