Tanana iray manontolo tany Ambaniala Ambandrika, disitirika’Ambatondrazaka, no notafihana andian-jiolahy ny talata alina lasa teo. Vokany, lehilahy iray no maty notifirin’ny dahalo ary omby 50 no lasan’izy ireo. Vao hiditra ilay tanàna ireto mpandroba ireto dia nanapoaka basy. Nahare izany avokoa ny rehetra. Nisy lehilahy iray sahy niantso vonjy sy nitsoka sifile. Hitan’ireo jiolahy izany ka avy hatrany dia notifiriny. Maty tsy tra-drano ilay lehilahy lehibe. Mora tamin’ireo mpangalatra avy eo ny nandroaka ny omby. Raiki-tahotra ny rehetra ka tsy nisy sahy nihetsika. Nilazana ny mpitandro filaminana ka ny maraina dia raikitra ny fanarahan-dia. Rehefa hitan’ireo olon-dratsy fa ho tratra ry zalahy dia navelany ny omby 40. Ny 10 kosa, araka ny vaovao, dia efa novonoin’izy ireo. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa tsy mijanona mihitsy ny asan-jiolahy isan-karazany any amin’ny faritra Alaotra any.
Janus