- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Jiolahy 20 mirongo basy nanafika tranona mpandraharaha lehibe,

Ambatondrazaka : Jiolahy 20 mirongo basy nanafika tranona mpandraharaha lehibe,

Tao anatin’ny kotaba sy fiantsoana ny tompon-trano hamoha ny  varavarana   no namakian’ireo jiolahy mirongo basy ity tranombarotra lehibe iray tao Anosindrafilo Ambatondrazaka, ny alahady lasa teo tokony tamin’ny 1ora maraina tany ho any. Vao tafiditra izy ireo dia ny tovolahy iray izay zanaky ny tompon-trano no notifiriny teo amin’ny sorony, sady noveleziny hazo ny lohany. Nandriaka ny rà. Noterena ihany koa io olona maratra io  nitondra azy ireo hanoro  ny vola rehetra , ka vola 1 400 000 Ar  no tao amin’ilay vadin’ilay tovolahy ary 1 000 000 Ar   miampy finday avolenta roa  tao amin’ny poketran’ny reniny  izay nisitrika ka tsy hitan’ireo jiolahy mihitsy. Nampandohalihana ilay tovolahy ary nampiaka-peo ny hamono ity tovolahy ity sy hitondra zazakely  ho takalonaina ireto jiolahy rehefa tsy mivoaka ny reniny, tsy nivoaka anefa ity renim-pianakaviana izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny tranom-barotra, tampoka teo anefa dia noteren’ireo jiolahy hamoha ny  fivarotana tany ambanin’ny rihana ity tovolahy ity ka nalain’izy ireo ny vola rehetra tao. Nosotroin’izy ireo ny zavapisotro fa ireo fahana telefaonina kosa nangoniny. Nanjakazaka tao an-trano mihitsy  ireo jiolahy izay manodidina ny 20, hoy ny zanaky ny tompotrano, ary  nanao ny sitrapony. Nanakoako rahateo ny poabasy tany ivelany hampitahorana ireo olona izay mivoaka izay voalazan’ireo manodidina fa nisy  naman’ireo jiolahy manodidina ny tanana ka izay mandrehitra jiro dia voatrerona.

Misy tobin’ny mpitandro ny filaminana 100 metatra any ho any akaikin’io trano io fa tsy nahitana olona izany raha tonga teo ny fokonolona. Araka ny fitantaran’ny tompon-trano dia ry zareo avy amin’ny zandary no efa akaiky ho tonga amin’ny toerana, ka asa na nahazo antso tamin’ny namany ireo jiolahy na ahoana fa  nisavoritaka izy ireo ary lasa nirohotra nilefa avokoa. Nandray andraikitra avy hatrany ny zandary ary dia nanenjika sy nanao ny asa rehetra. Mihorohoro tanteraka ny eto Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao satria na dia efa nanao antsoavo amin’ny handraisana fepetra aza ny loholon’i Madagasikara taty an-toerana dia toa mbola mangina izany ,ka miantso ny fanjakana foibe hijery ity raharaha ity ny vahoakan’Alaotra. Hatramin’ny nanoratana aloha dia mbola tsy nisy ny voasambotra

 Janus R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici