- Publicité SW45 -
mercredi, février 19, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Jiolahy raindahiny maty voatifitry ny pôlisy

Ambatondrazaka : Jiolahy raindahiny maty voatifitry ny pôlisy

Tapitra hatreo indray aloha ny dian’ity olon-dratsy, efa nokarohin’ny mpitandro filaminana ela tao an-drenivohitr’Alaotra tao. Ny alin’ny talata hifoha alarobia teo, nirefodrefotra ny basy nandritra ny fifanjevoan’ny pôlisy sy olon-dratsy teo am-panaovana ny asa ratsiny. Lehilahy iray no lavo nandritra io fifandonana io, izay fantatra taty aoriana fa isan’ireo jiolahy rain-dahiny tompon’antoka tamin’ireo fanafihana maromaro nitranga tany an-toerana. Nandritra ny fisafoana nataon’ireo pôlisy teo anivon’ny kaomisarian’Ambatondrazaka, tao amin’ny fokontany Ambodimanga, no nisehoan’ity fifandonana niafara tamin’ny fifampitifirana ity. Tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any izy io, hoy ny vaovao. « Nifanena tamin’olona ahiahiana izy ireo. Namoaka ny antsy lava teny aminy ity farany rehefa voataratry ny jiro ». Tsy vitan’ny nanambana fotsiny ihany fa handeha hanohitra ireo nitaratra jiro mihitsy ingahirainy tamin’izay fotoana izay. Voatery nampiasa ny fitaovam-piadiany teny am-pelatanany ihany koa ireo pôlisy ka tamin’izay no nahavoa ity olon-dratsy ity. « Nahitana sabatra sy ody gasy teny aminy. Fantatra moa fa jiolahy raindahiny nokarohin ‘ny polisy efa ela izy io ». Marihana fa amin’izao fotoana izao, dia misy ny hetsika manokana ataon’ny eo anivon’ny pôlisy any an-toerana, entina hametrahana fandriampahelamana maharitra any an-drenivohitr’Alaotra ao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici