- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Mihatra ny tsy fahazaoana mivezivezy amin’ny alina

Ambatondrazaka : Mihatra ny tsy fahazaoana mivezivezy amin’ny alina

Miaina tahaka ny tany miady ny eto   Ambatondrazaka renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro amin’izao fotoana izao, satria mihatra ny lalàna amin’ny tsy fahazaoana mivezivezy amin’ny alina (couvre feu) izay nanomboka ny alatsinaina faha-23 septembre 2019 .Mikatona amin’ny 9 ora alina avokoa ny toeram-pisotroana rehetra, ny karaoke, ny toerana fandihizana, foanana ireo fivarotan-taoka  ankalamanjana izay nahazo vahana  hatramin’izay, miato avokoa izany ireo lanonana amin’ny alina. Io no nambaran’ny prefen’Ambatondrazaka, Atoa Rakotondrasoa Daniel, raha nihaona tamin’ny mpanao gazety izy taorian’ny fivoriana  nataon’ny OMC, nahitana ny prefen’Ambatondrazaka, ny lehiben’ny faritra Alaotra Mangoro vonjimaika, ny lehiben’ny zandary sy ny polisy  ary ny miaramila,  ny ben’ny tananan’Ambatondrazaka renivohitra,  ny faha23 septambra 2019 lasa teo. Taorian’ireo fanafihana mitam-piadiana maromaro izay nahitana fandratrana olona sy vono olona, halatra sy vaky trano, taty Alaotra tato ho ato,  ary anisan’ny nahoraka tamin’ireny ny tao Anosindrafilo Ambatondrazaka, no  nandraisana izao fepetra izao. Hosavaina avokoa ny taratasin’ireo vahiny srilankais marobe izay tonga mividy vato aty Ambatondrazaka ka hoesorina izy ireny rehefa tsy ara-dalana. Ny lehiben’ny fokontany miaraka amin’ireo tompon’andraikitra amin’ny filaminana no hanara-maso ireo vahiny miditra sy mivoaka ny tanana ary hidina ifotony eny amin’ny fokontany izy ireo  .Nahafaly ny vahoaka aty Ambatondrazaka izao fandraisana fepetra izao, satria efa niaina tamin’ny tahotra avokoa ny rehetra, fa ny tsy fantatra dia haharitra hatramin’ny oviana indray izao fanapahan-kevitra izao

Janus R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici