Vono olona feno habibiana no nitranga tao amin’ny tanàna iray tao amin’ny kaominina Atsangasanga, distrika Ambatondrazaka, afakomaly hariva. Vehivavy iray, handeha hody no niharan’ny fanakanan-dàlana, raha iny an-dàlana hody iny teny ambony môtô. Efa tao anaty rà mandriaka izy no hitan’ny fokonolona, raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana. Nokapaina zava-maranitra teo amin’ny hatony ary norasarasaina tamin’ny antsy ny vatany raha ny vaovao hatrany. Nitondra ankizy roa izy tamin’io fotoana io saingy tsy nisy nataon’ireo olon-dratsy na inona na inona izy ireo. Ireto farany nony avy eo no niantso vonjy tamin’ireo fokonolona teo amin’ny manodidina. Efa vatana mangatsiaka mihosin-dra sisa no hitanay teto hoy ireo fokonolona, tsy nisy azo natao intsony. Ireo nahavanon-doza kosa efa nanao tari-dositra nitsoaka. Marihana fa handeha hamonjy fodiana eny Ambatoharanana ity renim-pianakaviana ity tamin’io fotoana io, izay hariva somary mbola mazava ihany. Nitondra môtô izy niaraka tamin’ireto zaza roa ireto saingy voalaza fa tsy nalain’izy ireo izany kodiaran-droa izany fa napetrany teo fotsiny. Ankevitry ny vali-faty na lonilonim-piarahamonina araka izany no anton’izao vono olona izao raha ny fandinihan’ireo nanatri-maso. Saingy ny fanadihadiana ataon’ireo tomponandraikitra amin’izany ihany no ahafanatarana izay zava-nisy sy ny antony. Ireo mpitandro filaminana rahateo efa tonga tany an-toerana nijery ifotony ny zava-nitranga ary nanokatra ny famotorana. Ny vatana mangatsiakan’ilay renim-pianakaviana moa dia efa nomena ireo fianakaviany taorian’ny fitsirahana nataon’ireo tomponandraikitra.
m.L