Na dia vao tamin’ny 11 sy sasany antoandro aza ny andro, no niditra an-tsokosoko tao amin’ny trano fonenany talen’ny CEG ity tovolahy vao herotrerony; izay haka ireo finday sarobidy sy ny fakantsary iray ,ary saika hisava ny toerana izay voalaza fa misy vola. Hitan’ity tale ity izay tsy taiza fa tao an-trano ihany nitsotsotra avy niasa ,niantso vonjy ilay tompon’andraikitra ,ary dia nirifatra nandositra ilay tovolahy vao 19 taona izay somary nofosana ary efa nentiny nandositra ny entana. Raikitra ny fananjehana ,nifanojo tanteraka tamin’ny fisafoana antoandro nataon’ny polisy rahateo ka nalaky tratra ilay jiolahy . Niaiky ny asa ratsy nataony ity tovolahy ity izay nanambarany fa ireo zavatra sarobidy ihany no saika halainy . Nampametra-panontaniana ny rehetra ihany izao fihetsik’ity tovolahy ity izao ,satria raha any amin’ny fokontany Antanifotsy Ambatondrazaka izy no mipetraka dia naninona, any amin’ny toerana lavitra ny tanana no miditra an-keriny sy mangalatra ,izay andro antoandro firavan’ny mpiasa ,misy antony manokana ve ? Nanambara ny Kaomisera divizionera Ramilison Célestin, fa tsy hisangy amin’ireo mpanao ratsy izy ireo ,ary tsy maintsy hosamborina avokoa ireo mpiloka an-kalamanjana, satria miainga amin’izy ireo,ny asa ratsy sy fanendahana rehefa lany vola izy ireo.
Janus R