Lasa ny môtô. Ilay mpitondra izany fitaovam-pitanterana izany kosa notsatohan’ireo olon-dratsy ny antsy. Voa teo amin’ny lohany, ary mbola tavela teo izany tamin’ny fotoana nahatongavany tany amin’ny hôpitaly. Tranga niseho ny alatsinainy lasa teo tamin’iny lalam-pirenena faha-44 iny. Ny zava-nisy. Olona roa nikasa ny handeha hianavaratra no nanofa irony karazana fitaovam-pitateraka amin’ny kodiaran-droa na taxi-moto, raha ny mahazatra antsika. Ny fifanarahana, hoy ny angom-baovao azo avy any an-toerana, dia miala ao Ambatondrazaka ny alatsinainy hariva teo. Tokony ho tany ho any amin’ny valo ora alina tany no nivadika ho jiolahy ireto mpandeha ireto, tsy lavitra akory ny tetezan’i Feramanga Avaratra. Angamba nisy fifanoherana ihany teo amin’ilay mpamily sy ireto olon-dratsy saingy noho izy irery dia tsy afa-nanoatra firy. Manginy fotsiny, nitondra zava-maranitra ireto olon-dratsy, ary tsy nisalasala nampiasa izany mihitsy. Voatsatoky ny antsy teo amin’ny fihirifany ilay mpitondra môtô ka nitsirepirepy tsy tafahetsika intsony. Nihevitra ireo jiolahy fa namoy ny ainy teo izy io ka nentin’izy ireo nitsoaka ny môtô, niaraka tamin’ny vola efatra alina ariary, araka ny fanazavàna nomen’ny lehiben’ny tobim-paritry ny zandary tany an-toerana. Ireo mponina manodidina ity toerana ity, raha nahatsikaritra ny zava-nisy no niezaka namonjy ilay mpitondra taxi-môtô, izay mbola nisy aina ihany, na dia teo aza ny antsy nitsatoka teo amin’ny lohany. Noezahina nentina niverina nihazo ny hôpitalin’Ambatondrazaka moa ity farany, izay efa tsy nahatsiaro tena intsony. Raha ny fampitam-baovao azo omaly hariva, ora nanoratanay dia efa tsy dia misy ahiana intsony ny amin’ity lehilahy ity. Ankoatra izay, mahakasika ireto olon-dratsy dia efa mandeha ny fikarohana any an-toerana ataon’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny zandary.
m.L