- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Olona efa voafonja mbola tratra nanao fanafihana

Ambatondrazaka : Olona efa voafonja mbola tratra nanao fanafihana

Toa saika ahitana olona voafonja mbola misazy  avokoa ireo jiolahy sarona amin’ny fanafihana mitam-piadiana teo Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao. Voalaza mihitsy aza fa misy mandray anjara amin’ny fanafihana ireo mpiandry fonja .Namoaka ny marina rehetra  tamin’ny mpanao gazety ny  mpisolovava sy ny fianakavian’ireo olona nisy namono tao Andrarabary ny faha-09 janoary 2019 teo .Araka ny fanazavana dia nanomboka tany amin’ny fanafihana vato sarobidy tany Brieville izay nahitana jiolahy manao fanamiana mpitandro ny filaminana.  Gadra mbola misazy sy mpiandry fonja  no  nanao ny fanafihana. Mbola misazy ireo olona ireo raha ny nahafantarana ny marina rehetra. Teo  ihany  koa  ny halatra goavana teto Ambatondrazaka  tamin’ny   taona 2017  izay nahitana voafonja , ary  ny farany teo dia  ny fanafihana tao Andrarabary izay nitetehana sy namonoana  ireo mpivady notafihana  saingy tsy maty. Rehefa nataon’ny  polisy ny fanadihadiana   dia toa olona mbola mamita sazy ao amin’ny fonjan’Ambatondrazaka  ny sasany. Rehefa manao ny famotorana ny mpitandro ny filaminana  ka manatona ny fonja dia olona voafonja nilefa no voalazan’ireo mpiandry fonja .Manao antso amin’ny fanjakana foibe ny mpisolovavan’ireto fianakaviana,  Atoa Maitre Njakarija  sy ny solontenan’ny fianakaviana, Atoa Didier Luc,   mba tokony hijery akaiky ny voafonja ao amin’ny fonjan’Ambatondrazaka  fa misy ny tsikombakomba ao. Ho zava-poana ny ezaka ataon’ny mpitandro ny filaminana  raha izao no mitohy  satria mifampiaro ireo mpiandry fonja rehefa misy ny fahatratrarana ny namany, ka tokony hofoanana ny fampiasana gadra amin’ireo mpiandry fonja. Niezaka  nanatona ny tompon’Andraikitry ny fonja ny mpanao gazety  saingy mbola tsy nahazo valiny . Io no fanazavan’ireto fianakaviana nisy namono tao Andrarabary miaraka amin’ny mpisolovava raha namory mpanao gazety izy ireo ny faha-01 febroary 2019 lasa teo. Raha tsy misy ny fandraisana andraikitra, hoy ny fanazavana, dia mety hiverina indray ny fitsaram-bahoaka, satria lasa tsy maty manota ireo mpiandry fonja sy ny voafonja  amin’izao kiantranoantrano miseho izao.

Janus  R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici