Habibiana tsotra izao no nihatra tamin’ity raim-pianakaviana iray, tao amin’ny kaominina Ambohivoatavo, ao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka, ny alin’ny alarobia lasa teo. Tovolahy iray, izay somary hafahafa fihetsika no avy hatrany dia namira antsy ny kibon’ity rangahy, tsy nisy alaharo alaharo. Nandriaka ny rà, ary niboraka sy notatazam-potsiny ny tsinain’ilay voadidy antsy. Mbola afaka niantso vonjy ihany anefa ity farany ary vory lanona ny fokonolona, efa nikasa ny hanao fitsaram-bahoaka ilay tovolahy izay tsy nitsoaka akory fa nijery am-pilaminana ny fijininikan’ny rà. Raha ny zava-nitranga, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, dia nisy tovolahy iray, izay ankevitry ny voky rongony, raha ny fahitàn’ny olona azy, no niezaka nandondona tranon’olona maromaro. Ny alina tsy mba namana anefa, ny andro rahateo efa nanondro ho tamin’ny valo ora alina. Tsy nisy namoha ny trano roa voalohany, tao amin’ny fahatelo kosa no injay nifoha ny tompon-trano ary namoha varavarana. Tsy nisy resaka teo, tsy nisy fandrahonana fa vantany vao nipoitra teo am-baravarana ilay raim-pianakaviana, avy hatrany dia ny antsy meloka no nandidy ny kibony. Niantso vonjy tao amin’ny tao an-trano izy ary ireto farany no niezaka nitsioka kiririoka. Nitangorona ny olona. Tonga haingana ihany koa ny mpitandro filaminana. Nisambotra malaky ilay nahavanon-doza ary nitondra azy natao fanadihadiana. Raha nisy kely foana dia efa novitain’ireo fokonolona ny amin’ity farany. Ilay rangahy kosa noezahina nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana, saingy indrisy fa ora iray monja taorian’io dia namoy ny ainy. Ilay tovolahy kosa amin’izao dia natao andrimaso any amin’ny biraon’ireo mpitandro filaminana.
m.L / Janus