- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Sarona ireo efa-mianaka, jiolahy rain-dahiny mpanakan-dalana

Ambatondrazaka : Sarona ireo efa-mianaka, jiolahy rain-dahiny mpanakan-dalana

Afaka misento indray aloha izany ireo mpanao taxi-moto any amin’iny faritra Alaotra iny. Ny alatsinainy lasa teo, saron’ny pôlisy avy ao an-drenivohitr’Alaotra ao ny efa-mianaka, reniny miaraka amin’ny zanany telolahy, voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ireo fanafihana sy fanakanan-dalana tany an-toerana. Ireo taxi-moto na ireo mpitondra môtô mandeha irery no tena lasibatr’izy ireo amin’izany. Raha ny fampitam-baovao azo dia efa maro ireo fitarainana tonga eny anivon’ireo mpitandro filaminana ny amin’ity halatra môtô miharo vono olona ity. Vao andro vitsivitsy talohan’ny nahatratrarana an’ireto efa-mianaka ireto tokoa mantsy dia nisy lehilahy mpanao taxi-môtô iray voatsindrona antsy. Nisy olona nanofa izy tamin’io fotoana io hoe, handeha ho any Ambohimpananina, toerana somary ambanivohitra, any Ambatondrazaka. Zava-doza anefa no niseho nony tonga teny an-tsasa-dalana fa nivadika ho jiolahy ilay mpandeha. Lasan’ity farany ny môtô-ny ary izy navelan’ilay olon-dratsy teo, rehefa noheveriny fa maty, taorian’ny tsindrona antsy nataony. Niainga avy tamin’ity tranga ity ny fanafihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana ka nahafahana nisambotra ireto mpanao ratsy ireto, izay fantatra fa monina any amin’io Ambohimpananina io ihany. Tamin’ny fisavana ny tranony no nahitana karazana môtô maromaro, nitoby tao, izay nambaran’izy ireo fa saika môtô halatra avokoa. Nosamborina avy hatrany ny ramatoa iray tompon’ilay trano, niaraka tamin’ireo zanany telolahy. Tamin’ny fanadihadiana natao azy dia nilaza ilay ramatoa fa tsy mahafantatra ny zavatra ataon’ireo zanany, saingy toa fantampatany fotsiny fa halatra avokoa ireto kodiaran-droa entin-janany avy any. Raha ny fanazavàna azo hatrany moa dia ny iray tamin’ireto zanany ireto dia efa jiolahy rain-dahiny ary efa voaheloka higadra mandra-pahafatiny. Mahagaga ihany araka izany ny nahafahany nivoaka sy nanantanteraka ny asa ratsiny. Ary kisendrasendra ihany sa tsia, fa misy tranga mitovy amin’izay ihany koa aty an-drenivohitra ? Lehilahy voalaza fa tokony higadra mandra-pahafatiny, kanefa dia afaka miriaria sy nandroba tranona karàna teny Ampahibe.

m.L / Janus

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici