- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Trano roa voatafika, nisy iray voatifitra

Ambatondrazaka : Trano roa voatafika, nisy iray voatifitra

Olona iray voatifitra tokantrano roa no nasesin’ireo andian’olon-dratsy notafihana ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo tao Ambohitsilaozana, Ambatondrazaka. Vokany, vola mitentina teo amin’ny 4 000 000 ariary teo ho eo no very tao amin’ilay tokantrano voalohany. Niezaka niaro ny fananany kosa ny tao amin’ny tokantrano faharoa ary nanohitra hatramin’ny farany ny fanafihana nataon’ireo jiolahy am-polony tany ho any. Tsy nahazo na inona na inona araka izany ireto farany, raha ny fampitam-baovao azo saingy ho setrin’izany dia tsy nisalasalan’ireo mpanafika nitifitra an-kitsirano ny tompon-trano, ambonin’ny vono sy daroka nihatra taminy. Raha ny vaovao hatrany dia naratra mafy vokatr’izay herisetra nianjady taminy ity farany ary voatery nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Tamin’ny fahatongavan’ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambandriaka sy Jiapasika teny an-toerana moa dia efa tafatsoaka ary nadio tanteraka ny rano nitan’ireo mpanafika. Mitohy araka izany ny fikarohana azy ireo any an-toerana.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici