Efa tsy matoky ireo mpitandro filaminana intsony ve ny fokonolona ? Tany amin’iny faritra Ambilobe iny, lehibena mpitandro filaminana iray no nokasain’izy ireo hatao fitsaram-bahoaka sy ho dorana tao anatin’ny biraony. Nisavorovo ny tao Ambilobe ny alahady lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia noahiahian’ny fokonolona ho nanao firaisana tsikombakomba tamina olona voarohirohy ho namono olona ireo mpitandro filaminana, tamin’ny fandefasana ity farany tany Antsiranana. Raha ny zava-nitranga, araka ny vaovao azo hatrany dia fahoriana tao amina tokantrano iray no niandohan’ny raharaha. Nitady omby ireto farany ary nisy lahiantitra iray nilaza fa nanana izany. Nandeha niaraka tamina tovolahy iray ity tompon’omby ity, naka an’ilay omby. Gaga anefa ireo fokonolona fa tsy nitondra omby ilay tovolahy, sady tsy niaraka intsony ihany koa tamin’ity lahiantitra ity. Vao mainka nampiahiahy ny rehetra ny fitondran’ilay tovolahy ny firavak’ity tompon’omby izay tsy foiny. Ity farany tsy hita popoka izay nisy azy, ary fantatra avy eo fa nisy namono. Nosamborin’ireo mponina avy hatrany ilay lehilahy niaraka taminy. Teo no niditra an-tsehatra ireo mpitandro filaminana, mba hisorohana ny mety ho fitaran’ny raharaha. Nandeha anefa ny feo fa efa tsy ao amin’ny biraon’ireo mpitandro filaminana intsony ity tovolahy ity.. Teo no nanomboka ny raharaha ary niafara tamin’ny fikononkononan’ny olona hisambotra ilay lehiben’ny mpitandro filaminana ary handoro ilay birao. Soa ihany fa nisy ny fifampiraharahana teo amin’ny fianakavian’ity lahiantitra nanjavona ity sy ireo mpitandro filaminana ka dia niravondravona ihany ny raharaha. Na izany na tsy izany anefa dia miatrana hatrany ireo mpitandro filaminana any an-toerana miambina ireo toby sy ny birao. Fantatra kosa fa eo am-panaovana fanadihadiana mahakasika ny famonoana an’ilay lahiantitra izy ireo.
m.L