- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmbilobe : Lehilahy nipoahan’ny rano misy « hydroxyde de soude », may...

Ambilobe : Lehilahy nipoahan’ny rano misy « hydroxyde de soude », may avokoa ny ilany havia

Lehilahy manodidina ny 53 taona indray no may nandritra ny fotoana niasany tao amin’ny orinasa lehibe iray ao Ambilobe ny herinandro lasa teo. Niendaka avokoa ny hodiny  amin’ny ilany havia.Voakasik’izany ny tarehiny, ny lamosiny ary ny tànany. Araka ny filazan’ny vadiny, sendra nanao “essais généraux” tao amin’io orinasa io ity lehilahy ity no izao nipoahan’ny rano misy “hydroxyde de soude” izao. “ Tokony hanasa “colonne” amin’ny rano misy “soude caustique” toy ny mahazatra izy. Rehefa nandrotsaka ny rano tao amin’ilay “colonne” anefa ny tenany dia nipoaka avy hatrany izany noho ny antony tsy fantatra. May avokoa ny ilany havia hatrany amin’ny lohany ka hatreo amin’ny valahany sy ny tànany” hoy hatrany ny fitantarany. Efa nandray an-tànana ny momba an’ity marary ity ny orinasa niasany ka tonga nitsabo tena tao amin’ny hopitaly ben’Antsiranana izy, saingy nalefan’izy ireo hotsaboina aty Antananarivo ao amin’ny HJRA Ampefiloha. Nanambara mantsy ny dokotera miandraikitra azy fa ny sampana “Ophtalmologie” no tena hisahana azy satria ny masony izay efa manomboka manjavozavo no tena atahorana. Izay no antony nandefasana azy ireo aty an-drenivohitra. Tsy misy ahiana kosa ny ainy.

Niony H.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici