- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbilobe : Mpamily “bajaj” maty tsy tra-drano, tapa-doha nokapaina tamin’ny antsibe

Ambilobe : Mpamily “bajaj” maty tsy tra-drano, tapa-doha nokapaina tamin’ny antsibe

Raim-pianakaviana iray 48 taona, manan-janaka dimy izay mpamily fiara mpitety tsena any ambanivolo sady mpitondra “bajaj”, mipetraka ao Ambilobe tampon-tanàna no hita faty tapa-doha nihosin-drà nifatotra tànana tao anaty kirihitr’ala tsy lavitra ny arabe, tao Ambodimanga hiditra ny Fokontany Antsoha Ambilobe, ny marain’ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany. Mbola nahitana dian’antsy maromaro ihany koa teo amin’ny kibony ; izay feno loaka. Tsy nokitihan’ny olon-dratsy kosa ny “bajaj” nentin’ity lehilahy maty tamin’ny fomba feno habibiana niharan’ny herisetra ity, fa ny finday sy vola ary zava-tsarobidy teny aminy kosa nanjavona avokoa tamin’ny fotoana nahitana ny razana. Olona sendra nandalo no nahita ny vatana mangatsiakany ka nampandre ny mpitandro filaminana. Raha ny fanazavan’ny vadiny, araka ny loharanom- baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tànana ny raharaha, dia tsy nody an-trano ity lehilahy hita faty ity ny alin’ny alarobia. Raha ny tombantombana, mety ho ny alina io izany no namonoana azy. Misokatra ny fanadihadiana amin’ity vono olona nahatsiravina ity, ary karohina fatratra ny nahavanon-doza, ankehitriny.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici