- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversAmbilobe : Vehivavy mpivarotra rongony, nosamborin’ny polisy

Ambilobe : Vehivavy mpivarotra rongony, nosamborin’ny polisy

Renim-pianakaviana iray manodidina ny 60 taona indray, no nosamborin’ny polisy tao amin’ny fokontany Ledama ao amin’ny Kaominina Andrenivohitra Ambilobe, noho ny fivarotana rongony, ny 3 jona lasa teo. Izany no nisy dia vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny polisim-pirenena sy ny olon-tsotra tsara sitra-po nahazoana ny loharanom-baovao rehetra. Tra-tehaka tamin’izany ny fonosana rongony lehibe  12; izay mitsinjara ho fonosana kely manodidina ny 400 eo ho eo. Avy hatrany dia notanana vonjimaika ao amin’ny biraon’ny polisy ity vehivavy ity nanaovana ny fanadihadiana. Raha ny fanazavana voarainay teo anivon’ny polisy, dia fantatra fa ity resaka fivarotana rongony ity no nameloman’ity farany ireo zanany valo mianadahy hatrizay. Manoloana izany, dia nanambara ny Kaomisera Rahajason Patrick, tomponandraikitry ny polisim-pirenena ao amin’ny Kaominina Andrenivohitra Ambilobe, fa tsy maintsy karohina ireo namana mpamatsy rongony ity vehivavy ity, mba hamongorana ny afera maloton’ny zava-mahadomelina any amin’iny faritry ny Nosy iny. Marihina fa hatolotra tsy ho ela ny Fampanoavana ao amin’ny fiadidian’ny Faritanin’Antsiranana ity raharaha ity.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici