“Tsy ekenay ny fanakorontanana ny fampandrosoana aty aminay ataon’ny ben’ny tanananay teo aloha. Tsy azonay ekena ihany koa ny fijoroany ho mpanelanelana anay amin’ny tombontsonay, izay kasainy hanaovana fitadiavam-bola fotsiny…”izay no nambaran’ireo fokonolona ao amin’ny vohitra Vohitsara sy Ambatolampy fokontany Savalaina kaominina Ambinaninony distrikan’i Brickaville, nosoloin’ny filoham-pikontany Atoa Raymond sy ny vavanjaka Atoa Augustin tena; mikasika ny fisian’ilay orinasa “DNI Metals” mikasa ny hitrandraka “Graphite”.
Ho an’ireto mponina mantsy dia tia tena loatra ity ben’ny tananan’izy ireo teo aloha ity, ka mikasa ny hanakorontana ny fiainan’izy ireo amin’ireo fampandrosoana ho entin’ity orinasa ity, araka ny fifanaovan-tsonia nifanaovan’ireto fokonolona sy ny “DNI Metals”. Ao anatin’ny fitsirihana ny vokatra “Graphite” ho trandrahany ny orinasa izao araka ny fanomezan-dalan’ny talem-paritanin’ny harena ambanin’ny tany sy ny solika eto Toamasina, izay haharitra enim-bolana hifarana ny volana desambra izao. Noho io asa sosialy io dia nosokafana ny lalana 4.000m, eo an-dalam-pametrahana ny rano fisotro madio amin’ny alalan’ny vovo manokana, eo an-dalam-panamboarana ny kianja filalaovana baolina kitra ho an’ny tanora, ary hozaraina alohan’ny fidiran’ny mpianatra ireo “kits scolaire”. Ireo fianakaviana tafiditra tao anatin’ny fanamboarana ny lalana ny voliny sy ny taniny dia efa nahazo ny vola mifandraika amin’izany ny 21 tamin’izy 24 araka ny fanazavana izao, ireo telo ambiny kosa dia fianakavian’ilay ben’ny tanana teo aloha no tsy mbola naka ny anjarany , izay voalaza fa noho ny fandrahonan’ity ben’ny tanana teo aloha ity azy ireo ihany.
“Nanao fangantahan-dalana araka ny fomba malagasy sy nanaja ny fomba amam-panao betsimisaraka ny orinasa ary nekenay izany, ka tsy izahay izao indray no handa ny fidirany hitondra fampandrosoana eto aminay” hoy hatrany ireo solon-tenam-pokonolona manarana ny fanazavan’izy ireo tany an-toerana, izay miasa eo anivon’ny orinasa ny ankamaroan’izy ireo izao. Na mbola miato aza ny fikarohana ataon’ny orinasa hamantarany ny fatran’ny vokatra hotrandrahany, noho ny olana nisy, dia mitohy hatrany ny asa sosialiny ho tombontsoan’ireto vahoaka ireto…
Malala Didier