- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversAmbodiafontsy : Maty voadonan’ny fiara ny zanany, namoy ny ainy tapaka lalan-drà...

Ambodiafontsy : Maty voadonan’ny fiara ny zanany, namoy ny ainy tapaka lalan-drà ny reniny

Faty roa be izao no indray nivoaka tao amin’ity tokatrano iray teny amin’iny faritra Fenoarivo Atsimondrano iny : ny zanany sy ny reniny. Ny alarobia hariva lasa teo mantsy, nitrangana lozam-pifamoivoizana tamin’iny lalan’i Fenoarivo iny. Teo amin’ny sampanana Ambodiafotsy indray ! Vehivavy iray no voa mafy, raha nodomin’ny fiara. Handeha hiampita arabe ity farany tamin’io fotoana io no nisy fiara nirimorimo avy any ka nifaoka azy. Vokany, nandriaka ny rà ary naratra mafy ity farany. Ireo mponina sy ny ireo nanatri-maso ny loza no nifanome tanana nitondra ity naratra ity tany amin’iny toeram-pitsaboana, tetsy Fenoarivo. Indrisy anefa, nony tonga tany amin’ny hôpitaly dia namoy ny ainy ity vehivavy voadonan’ny fiara ity. Ny angom-baovao no nahafantarana fa saika handeha hanatitra sakafon’ny reniny marary izay tsaboina tany amin’ny hôpitaly ity farany. Saingy rehefa nandrasana dia tsy nety nipoitra ity farany. Marihana fa tsy nijanona akory ity fiara namoa-doza ity tamin’iny fotoana nitrangan’ny loza fa vao maika nanohy ny lalany nandositra. 

Izay toe-javatra izay no nampametram-panotaniana ny marary ary somary nahatalanjona azy ihany. Noho ny toe-pahasalaman’ity farany anefa dia tsy nolazain’ireo fianakaviana taminy ny fahafatesan-janany. Saingy hafa moa ny reny izay efa nahatsinjotsinjo ny zava-dratsy nihatra tamin’ny zanany, izay nony taty aoriana, dia fantany ihany. Taitra tampoka tamin’izay vaovao ratsy izany ilay renim-pianakaviana ary nanomboka niha-ratsy avy hatrany ny fahasalamany. Indrisy ihany koa fa nitarika hatramin’ny fahafatesany ny nahenoany ny fahafatesan-janany vavy.

Efa eny am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana moa ny raharaha mahakasika ilay lozam-pifamoivoizana. Ary efa mandeha ny fikarohana ilay mpamily nahavanon-doza, raha ny vaovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici