- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodiafontsy : Maty voatifitra i Germain gadra nitsoaka avy teny Tsiafahy

Ambodiafontsy : Maty voatifitra i Germain gadra nitsoaka avy teny Tsiafahy

Ny alatsinainy hariva teo tokony ho tany amin’ny 6 ora sasany, no lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny olona iray antsoina heo Germain, voalaza fa gadra nitsoaka ny fonjan’i Tsiafahy.  Nahazo antso an-telefaona tamin’ny olona tsara sitrapo ny zandary tao Bemasoandro Itaosy, fa misy tovolahy maromaro mihaodihaody ao Vinany. Vao naheno izany ireo zandary, tonga dia nandeha teny an-toerana. Lehilahy  efatra no nifanehitra tamin-dry zareo. Raha vao nahita ireto zandary ireo olona ireo dia nizara roa. Ankeviny nihevitra izy ireo fa tsy ho ampy ny isan’ny zandary hanenjika.

Raikitra tokoa ny fanenjehana azy efa-dahy ireto, ka samy nanana ny làlany. Efa maizina tamin’izay noho ny “délestage”; izay naharitra efa ho adiny telo tamin’io fotoana io. Noho ny halavitry ny dia sy ny hamaizin’ny andro, dia niantso ny zandary namany avy eny Fenoarivo ireto mpanenjika. Raha vao naheno ny antso ireto farany dia tonga ihany koa nanampy. Latsaka afovoany ny roalahy niaraka, ka nieritreritra ny hamoaka poleta tany am-paosiny.

Raha vao nahita izany fihetsika izany ireto zandary tato aoriana, dia tsy maintsy nitifitra avy hatrany ka bala telo no nahalavo an’i Germain teny Ambodiafontsy. Azo sambo-belona kosa ilay namany ary tafaporitsaka ilay roa hafa. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa gadra nitsoaka avy teny Tsiafahy ity Germain ity ary anisan’ny nandray anjara betsaka tamin’ny asan-jiolahy nisesisesy teto an-drenivohitra toy ny fanafihana teny Ankerana tamin’ny volana febroary lasa teo, ka nahaverezana vola be dia be. Ny fanafihana “patron” ana omby tetsy Ampasika ary ny vaky trano sy fanendahana maro samihafa.

Manentana hatrany moa ny zandary eny an-toerana, mba hisy foana ny fiaraha-miasa eo amin’ny mponina sy ny mpitandro ny filaminana; izay mahomby tokoa satria vao roa herinandro izay no nahatrarana ilay mpamaky trano saika hanao asa ratsy tao Bemasoandro.

Alem

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici