Raha mbola tsy milamina ilay raharaha fitsaram-bahoaka nahazo ireo polisy telo lahy maty tao Ambodihazinina Fenerivo atsinanana, dia nitrangana fanafihana nitam-piadiana indray tao amin’ity fokontany ao anatin’ny kaominina Ambatoharanana; izay fantan-daza amin’ny fivarotana sy fambolena lavanila sy ireo voly fanondrana hafa ihany koa.
Ny alin’ny talata 05 mey nifoha ny alarobia 06 mey teo, dia nisy nanafika ity mpandraharaha ara-toekarena momba ny voly fanondrana antsoina hoe Mahefa Constant ity. Voalazan’ny vaovao, fa olona 07 nirongo basy vahiny sy basy vita gasy no nanafika azy tamin’izany, ka voaroba tamin’izany ny vola mitentina 99.000.000 ariary sy ny zanaka ilay mpandraharaha vavikely 08 taona nalain’ireo jiolahy an-keriny saingy novotsoran’izy ireo ihany teny an-dalam-pandosirana avy any Ambodihazinina Ambatoharanana Fenerivo atsinanana. Taorian’ny antso vonjy nataon’ilay mpandraharaha izay fantan-daza , dia niray hina nanaraka ireto andian-jiolahy mpanafika ireto ny fokonolona ny alin’ny 05 mai io, ka iray tamin’ireo mpanfika sy naka an-keriny zazavavikely 08 taona no tratran’ireo mpanara-dia. Voalaza moa fa atidohan’ny fanafihana ity tratran’ny fokonolona ity, izay efa natolotra ny mpitandro ny filaminana. Tsy iza ity jiolahy tratran’ny fokonolona ity, fa mpirahalahy am-panambadiana, 63 taona amin’ilay mpandraharaha notafihana tao Ambodihazinina ihany sy efa ben’ny Tanàna tao amin’ny kaominina Ambatoharanana ny taona 1996 ary efa lehiben’ny ZAP tany an-toerana ihany koa, saingy efa misotro ronono amin’izao. Tratra ny 06 mey kosa ilay ramatoa niara-niketrika tamin’izy ireo tamin’izao fanafihana izao.
Ankoatra izay rehetra izay dia fantatra izao araka ny filazan’ilay rangahy 63 taona tratra ity, fa tao Fenerivo atsinanana ny 05 mey no niketrika ny fanafihana izy ireo, satria araka ity rangahy mpirahalahy am-panambadiana amin’ity mpandraharaha ity, fa haka vola be hividianam-bokatra ilay mpandraharaha. Avy eto Toamasina no nakana ireo jiolahy mpikaraman’ady ireo izay mbola tadiavina izy 05 lahy sy basiny amin’izao fotoana izao.
Malala Didier