Omaly maraina tokony ho tany amin’ny 9 ora tany ho any, trano lehibe iray misy rihana roa no nirehitra, teny Ambodifilao. Vokany, may tanteraka ny entana tao amin’ny rihana roa ambony ary tsy nisy azo noraisina. Ny taty ambany kosa, na dia tsy noraisin’ny afo aza dia nisy ny entana navoaka simba tamin’ny fikoropahana namoaka izany sy vokatry ny rano nidina avy tany ambony. Ankoatra izany, ramatoa iray no naratra nianjeran’ny tafo.
Hatramin’izao, tsy fantatra mazava ny nahatonga ny fahamaizana. Nisy ny nilaza fa vokatry ny « court circuit ». Tao amin’ilay efitra niandoahan’ny afo any amin’ny farany ambony, voalaza fa tsy nisy olona. Vetivety dia niitatra ny fahamaizana ary nahazo ny rihana voalohany. Gaga avokoa ny manodidina nahita izany ary niantso tsy nisy hatak’andro ny mpamono afo. Tsy dia ela dia tonga ireto farany. Somary nananosarotra ihany no nidirana tany amin’ny faritra. Afaka ora iray mahery vao maty ny afo.
r.s.