Lasa miteraka tahotra ho an’ireo vahoaka ao Ambodihazinina Fenerivo atsinanana ny zava-misy ankehitriny, taorian’ny fitsaram-bahoaka nataon’andian’olona tao an-tananan’izy ireo ihany ka nahafaty polisy telo lahy nanao iraka ara-dalana. Raha ny angom-baovao natao dia mitsoaka any anaty ala sy mifindra amin’ireo fokontany manodidina ireo mponina sasany tao Ambodihazinina ankehitriny, hany ka ireo olombe sy ireo tsy afaka mandeha noho ny fananany ary ireo mpiandry tanana sisa no ao Ambodihazinina amin’izao fotoana izao. Misy noho izany ny fanaovan’izy ireo andrimasom-pokonolona ho fiarovan-tenan’izy ireo, satria mihevitra izy ireo fa manana ny rariny sy ny marina taorian’iny fitsaram-bahoaka nahafaty polisy telo lahy iny. Ho fandaminana ny raharaha noho ity zava-misy ao Ambodihazinina ity, dia nijery ifotony ny raharaha tany an-toerana ny zoma teo ny lehiben’ny faritra Analanjirofo, Atoa Ramaroson Jacques, izay nanao fihaonana avy hatrany tamin’ny ben’ny tanana ao Ambatoharanana, Atoa Kalo Sylvain, izay misy ny fokontany Ambodihazinina. Nandritra izao fandalovan’ny lehiben’ny faritra Analanjirofo tany an-toerana izao ny fiantsoana ireo olona nitsoaka na any anaty ala, na ireo nitsoaka any amin’ny fokontany sy tanana hafa, hiverina an-tanana. Nahomby ny antso nataon’Atoa Ramaroson Jacques sy ny ben’ny tanana Atoa Kalo Sylvain, satria ny sabotsy teo ihany dia efa maro tamin’ireo vahoaka nitsoaka no niverina tao Ambodihazinina na mbola mitoetra eny ihany aza ny tahotra. Ankilan’izany ny sabotsy teo ihany dia tonga tao Fenerivo atsinanana ny minisitry ny filaminana anatiny sy ny minisitry ny atitany. Nisy ny fihaonana nifanaovany tamin’ireo olom-boafidy sy ireo olom-botendry ary ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana momba ny ady atao mikasika ity fitsaram-bahoaka lava eto amintsika ity. Nohararaotin’ny lehiben’ny faritra Analanjirofo koa ny nampita hafatra ho an’ireo mpiasam-panjakana mamita iraka ny mba hampahafantatra ny fandalovan’izy ireo any an-toerana amin’ireo solontenam-panjakana hisorohana ny toy izao tranga mampalahelo izao. Nitohy tany Vavatenina koa ny dian’ny minisitry ny filaminana anatiny sy ny minisitry ny atitany taorian’izany nijery ilay zava-nisy tany an-toerana farany teo. Ankoatra izay dia fantatra hatrany fa mitohy hatrany ny fanadihadiana, ka ny fanangonam-baovao amin’ireo andian’olona tena nihavian’ilay famonoana polisy telo lahy no ataon’ny polisim-pirenena izao, resaka vono olona sy polisy namita iraka ara-dalana ny raharaha tsy azo avela izany.
Malala Didier