
Miteraka resabe eny anivon’ny fiaraha-monina sy ny elakelan-trano ny fisian’ny fototra fanorenana tranon’olona iray amin’ny tanim-panjakana eny amin’ny biraon’ny DRSP, na Direction Régionale de Santé publique, ao amin’ny fokontan’Ambodimadiro, aty amin’ny renivohi-paritra Betsiboka, fa misy mivarotra izany, noho ny ny fisian’ny fototra fanorenana, efa tamin’ny Zoma 20 volana Septambra taona 2024 lasa teo iny. Voamarina ihany koa ny maha tsy ara-dalana ny an-tontan-taratasy fanorenana an’ilay trano eo anoloan’ny biraon’ny DRSP Betsiboka, nandritra ny fidinana ifotony nataon’ireo olona miasa ao amin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra sy ny Topographie, izay misahana ny fahazoana alalana makasika izany, hoy ny talem-paritry ny fahasalam-bahoaka aty an-toerana, dokotera Rakotondrasoa Andriamaharo. Tsy nasiana resaka lavabe ny makasika ny fanorenana na dia tsy teto Maevatanàna sy namita iraka tany Mahajanga aza Atoa Talem-paritra ny faramparan’ny herinandro teo, fa tonga dia najanona avy hatrany ny asa fanorenana misy. Nanamafy ihany koa ny tompon’ny fanorenana ny trano eo amin’ny biraon’ny DRSP, fa tamin’ny rafozan-dahiny mpiasa tao amin’ny fahasalam-bahoaka teo aloha no nahazoany fahefahana nanorina izany. Hatreto aloha dia azo lazaina fa mifamahofaho be ny toe-draharaha makasika an’ity fanorenana tranon’olona ity, satria samy manana ny filazana ny tompon’andraikitra sy ny olona tompon’ny fanorenana. Hany ka mifanipaka toy ny valala an-karona.
Ratantely